Amos 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Tiro, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria natolony an’i Edoma ny babo rehetra ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Tira - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy, satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy, fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa ny iray tanàna manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin’i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Tiro, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria natolony an’i Edoma ny babo rehetra ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]