Amos 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nodorany ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Moaba, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nodorany ny taolan’ny mpanjakan’i Edôma, nataony zary sokay,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Môaba, fa indrindra ity anankiray ity: Nodorany ho sokay ny taolan’ilay mpanjakan’i Edôma. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nodorany ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma;
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]