Amos 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitari-dalana anareo efapolo taona tany an-tany efitra mba handovanareo ny tanin’ny Amorita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho, sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra, mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho koa no nampiakatra anareo avy tany Ejipta sady nitari-dàlana anareo efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahazoanareo ny tanin’ny Amôrita.
Malagasy Bible 1865
Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitari-dalana anareo efapolo taona tany an-tany efitra mba handovanareo ny tanin’ny Amorita.
malagasy
Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,