Amos 2:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Joda, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nataony tsinontsinona ny lalànan’NY TOMPO, ary tsy notandremany ny didiny ka nampivily lalana azy ny laingany izay fanaon’ny razany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Jodà, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanary ny lalàn’i Iaveh izy, sady tsy nitandrina ny didiny, ka nety havilivilin’ny sampin-daingany, dia ireo izay narahin’ny razany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Joda, fa indrindra ireto: Nanao tsinontsinona ny fampianarako izy ary tsy nitandrina ny didiko sady nanaiky ho voafitaky ny andriamanitra sampy izay efa notompoin’ireo razany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Joda, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nataony tsinontsinona ny lalànan’NY TOMPO, ary tsy notandremany ny didiny ka nampivily lalana azy ny laingany izay fanaon’ny razany;
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]