Amos 2:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny Israely, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana, satria namidiny volafotsy ny olona marina, ary namidiny kapan’olona iray ny sahirana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Israely - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Israely, fa indrindra ireto: Namidiny ho andevo ny olon-tsotra raiki-trosa mba hamerenana ny volany; ary namidiny ho andevo ny mahantra satria tsy nahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny Israely, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana, satria namidiny volafotsy ny olona marina, ary namidiny kapan’olona iray ny sahirana;
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]