Amos 2:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mahafaly azy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny mahantra sady mamily ny lalan’ny madinika izy. Olona mianaka no samy mandry amin’ny tovovavy iray ihany ka manamavo ny anarako masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria iriny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan’ny osa, ary aviliviliny ny fitarainan’ny mpandefitra eo amin’ny fitsarana. Olona mianaka, dia mifandimby mandry amin’ny zatovovavy iray ihany mba hanevatevana ny anarako masina.
Malagasy Bible 1865
Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mahafaly azy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny mahantra sady mamily ny lalan’ny madinika izy. Olona mianaka no samy mandry amin’ny tovovavy iray ihany ka manamavo ny anarako masina.
malagasy
Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]