Amos 2:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny lamba azony tamin’ny antoka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra, sady misotro ny divay azony tamin’ny sazy ao amin’ny tranon’ny andriamaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria lamba azony tamin’ny tsatòka no iamparany eny anilan’ny ôtely rehetra eny; ary ny divay avy amin’izay nosaziny lamandy no sotroiny ao an-tranon’ny andriamaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lamba nomen’ny mahantra ho antoka no itsilailaizany eny akaikin’ny alitara rehetra eny; ary divay azo avy amin’ny sazy no sotroiny ao an-tempolin’ireo andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny lamba azony tamin’ny antoka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra, sady misotro ny divay azony tamin’ny sazy ao amin’ny tranon’ny andriamaniny.
malagasy
Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]