Amos 2:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny hazo oaka; eny, nosimbako ny voany teny amboniny sy ny fotony tao ambaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony, sy ny fakany teo ambany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho anefa no nandringana ny Amôrita teo anatrehany, dia olona ranjanana tahaka ny hazo sedera ary matanjaka tahaka ny hazo ôaka; eny, nopotehiko avokoa na ny fotony na ny voany.
Malagasy Bible 1865
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny hazo oaka; eny, nosimbako ny voany teny amboniny sy ny fotony tao ambaniny.
malagasy
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.