Amos 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Henoy izao teny izao izay lazain’NY TOMPO ny aminareo, ry Zanak’Israely, dia ny amin’ny taranaka rehetra izay nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh ny aminareo, ry zanak’i Israely, ny amin’ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry taranak’i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin’ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:
Malagasy Bible 1865
Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Henoy izao teny izao izay lazain’NY TOMPO ny aminareo, ry Zanak’Israely, dia ny amin’ny taranaka rehetra izay nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!
malagasy
[Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io: