Amos 3:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Toy ny fandrirotry ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona ny tongotr’ondry roa monja na ny sombin-tsofiny, toy izany no ho fandrirotra ny Zanak’Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ny lamba lafo vidy avy any Damaskosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Toy ny fanatsoakan’ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan’ny liona ny ranjo roa na tendron-tsofina iray, no famonjy ny zanak’i Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron’ny sezabe, eo ambonin’ny ondana avy any Damasy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa misy ondry azon’ny liona, dia tongotra roa na sombin-tsofina no tsoahan’ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona; toy izany ny amin’ireo Israelita izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron’ny saofà na eo ambony fandriana malemilemy: Vitsivitsy ihany no hovonjena.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Toy ny fandrirotry ny mpiandry ondry avy eo am-bavan’ny liona ny tongotr’ondry roa monja na ny sombin-tsofiny, toy izany no ho fandrirotra ny Zanak’Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ny lamba lafo vidy avy any Damaskosy.
malagasy