Amos 3:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hamely ny trano fonenana amin’ny ririnina sy ny trano fonenana amin’ny fahavaratra Aho; ho rava ny trano ivoara; trano maro no ho fongana, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hasiako ny trano ririnina aman-trano fahavaratra; hosimbana ny trano ivoara ary horavàna ny trano maro - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hazerako ny trano ririnina sy trano fahavaratra, ary ho simba ny trano miravaka ivoara sady ho fongana ny trano miezinezina. Teny hentitry avy amiko TOMPO izany.»
Malagasy Bible 1865
Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hamely ny trano fonenana amin’ny ririnina sy ny trano fonenana amin’ny fahavaratra Aho; ho rava ny trano ivoara; trano maro no ho fongana, hoy NY TOMPO.
malagasy
Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.