Amos 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Voan’ny fandrika amin’ny tany va ny vorona raha tsy nisy tadivavarana? Voarirotra hiainga amin’ny tany va ny fandrika raha tsy nahavoa zavatra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Latsaka amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody, raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao? Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika, raha tsy efa nahazo zavatra izy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voan’ny fandrika amin’ny tany ve ny vorona, raha tsy nisy sakafo nisarika azy? Mikatona ve ny fandrika-harato raha tsy mahazo zavatra?
Malagasy Bible 1865
Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Voan’ny fandrika amin’ny tany va ny vorona raha tsy nisy tadivavarana? Voarirotra hiainga amin’ny tany va ny fandrika raha tsy nahavoa zavatra?
malagasy
Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?