Amos 3:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ambarao any amin’ireo lapa any Asdoda sy any amin’ireo lapa any amin’ny tany Ejipta hoe: Mivoria any amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianareo ka jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny ao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampandreneso eo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao, ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa, ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ataovy re eny an-tafon-tranon’ireo lapa ao Asdôda sy eny an-tafon-tranon’ireo lapa any Ejipta, ka lazao hoe: «Mivoria eny an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ka jereo ny korontana marobe eo anivony sy ny famoretana mihatra ao anatiny.»
Malagasy Bible 1865
Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ambarao any amin’ireo lapa any Asdoda sy any amin’ireo lapa any amin’ny tany Ejipta hoe: Mivoria any amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianareo ka jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny ao!
malagasy
Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny. [Na: ny ampahorina]