Amos 4:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa izao teny izao, ianareo ombivavin’i Basana, izay eny amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny sahirana ary miteny amin’ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Henoinareo izao teny izao, ry omby vavin’i Basàna, izay eny an-tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny osa, sy manosihosy ny tsy manana, ianareo izay milaza amin’ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo andriambavilanitr’i Samaria, izay mihamatavy tahaka ny ombivavin’i Basàna, henoy izao teniko izao: Manitsakitsaka ny madinika ianareo, sy mampahory ny mahantra, ary milaza amin’ny vadinareo hoe: «Mitondrà hosotrointsika!»
Malagasy Bible 1865
Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa izao teny izao, ianareo ombivavin’i Basana, izay eny amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny sahirana ary miteny amin’ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!
malagasy
[Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny]