Amos 4:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nandefasako areti-mandringana tahaka ilay tany Ejipta ianareo; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; nampiakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ny tobinareo. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo, nanirahako ny pesta; toy ny fisian’izany any Ejipta; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo, ary tamin’izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo; nampanetona ny hamaimbon’ny tobinareo Aho ka tonga eo am-bavoronareo; nefa tsy niverina tamiko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta; novonoiko ho faty tamin’ny sabatra ny zatovolahinareo, sady nobaboina koa ny soavalinareo; ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo ny hamaimbon’ny faty ao an-tobinareo; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitry ny TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nandefasako areti-mandringana tahaka ilay tany Ejipta ianareo; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; nampiakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ny tobinareo. Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
malagasy