Amos 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nisy tanàna noravako teo aminareo, tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora, koa efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ny afo ianareo. Nefa mbola tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo Aho toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy Gômôra, ary ianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin’ny hain-trano; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo tahaka izay nataoko tamin’i Sôdôma sy Gômôra; ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana nosarihina avy ao amin’ny afo nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.