Amos 4:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro Ilay mamolavola ny tendrombohitra sy mahary ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina ary mandia ny havoana amin’ny tany: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon’ny tany! Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra sy mpahary ny rivotra, Izy no manambara amin’ny olombelona ny fikasany, mahatonga ny maraina ho haizina sady mandeha eny am-paratampon’ny tany: Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao no anarany.
Malagasy Bible 1865
Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro Ilay mamolavola ny tendrombohitra sy mahary ny rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho haizina ary mandia ny havoana amin’ny tany: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
malagasy