Amos 4:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO Andriamanitra no efa nianiana tamin’ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro izay hitarihana anareo amin’ny farango sy izay sisa aminareo amin’ny fintana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nianiana tamin’ny fahamasinany, ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminareo ny andro hipaohana anareo amin’ny farango, sy ny taranakareo amin’ny firombaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no ianianan’ny Tompo ANDRIANANAHARY hoe: «Noho ny fahamasinako dia manizingizina Aho, fa indro ho avy aminareo ny andro izay hitarihana amin’ny farango ny tenanareo sy ny mpanotrona anareo.
Malagasy Bible 1865
Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO Andriamanitra no efa nianiana tamin’ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro izay hitarihana anareo amin’ny farango sy izay sisa aminareo amin’ny fintana;
malagasy
Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.