Amos 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho anefa no nampihantona ny ranonorana tsy ho aminareo raha telo volana sisa tsy ho fararano, koa tamin’ny tanàna iray no nampilatsahako ranonorana ary tamin’ny tanàna iray hafa kosa tsy mba nampilatsahako; ny saha iray dia nilatsahan’ny ranonorana, ary ny saha iray hafa kosa tsy mba nilatsahany dia maina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana; fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan’ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
Malagasy Bible 1865
Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho anefa no nampihantona ny ranonorana tsy ho aminareo raha telo volana sisa tsy ho fararano, koa tamin’ny tanàna iray no nampilatsahako ranonorana ary tamin’ny tanàna iray hafa kosa tsy mba nampilatsahako; ny saha iray dia nilatsahan’ny ranonorana, ary ny saha iray hafa kosa tsy mba nilatsahany dia maina.
malagasy