Amos 4:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ny tanàna iray, kanjo tsy afaka hetaheta izy. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa, mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivembena nankao amin’ny tanàna iray ny mponina tamin’ny tanàna roa na telo mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ny tanàna iray, kanjo tsy afaka hetaheta izy. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
malagasy
Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.