Amos 5:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa satria nanitsakitsaka ny mahantra ianareo ary nampandoa vary azy, dia nanangana trano vato voapaika ihany koa ianareo nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ianareo nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa noho ianareo manitsakitsaka ny mahantra, sy mampandoa hetram-bary azy; dia nanao trano vato voapaika ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly voaloboka faran’izay tsara ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohosihosenareo ny malahelo ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy. Noho izany, dia tsy hitoetra amin’ny trano vato voapaika nataonareo ianareo, ary tsy hisotro ny divay avy amin’ny voaloboka tsara nambolenareo.
Malagasy Bible 1865
Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa satria nanitsakitsaka ny mahantra ianareo ary nampandoa vary azy, dia nanangana trano vato voapaika ihany koa ianareo nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ianareo nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
malagasy