Amos 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa fantatro fa be ny helokareo ary miavosa ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary manilika ny mahantra tsy ho eo amin’ny fitsarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa fantatro fa maro ny helokareo ary lehibe ny fahotanareo, ianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly, ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy koa ny Tompo hoe: «Fantatro fa marobe ireo helokareo ary mahatsiravina ireo fahotanareo; ianareo no mpandray tsolotra sy mpanenjika ny olo-marina, ka manodinkodina ny zon’ny mahantra eo amin’ny fitsarana,»
Malagasy Bible 1865
Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa fantatro fa be ny helokareo ary miavosa ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary manilika ny mahantra tsy ho eo amin’ny fitsarana.
malagasy
Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]