Amos 5:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, aoreno eo amin’ny fitsarana ny rariny; angamba NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, ary ampitoero ao amin’ny fitsarana indray ny rariny; Angamba ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao hamindra fo amin’izay sisa amin’ny taranak’i Jôsefa.
Malagasy Bible 1865
Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, aoreno eo amin’ny fitsarana ny rariny; angamba NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa.
malagasy
Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]