Amos 5:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Eny an-kianja rehetra eny dia hisy fisaonana; ary eny an-dalambe rehetra eny dia hisy hilaza hoe: Indrisy! Indrisy! Hiantso ny mpamboly hitomany izy ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh, ny Andriamanitry ny tafika, ny Tompo: Hisy hidradradradra eny amin’ny kianja rehetra eny: hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! eny an-dalambe rehetra eny; hisy hiantso ny mpiasa hisaona, sy higogogogo, miaraka amin’izay mahay midridridridry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ny TOMPO, ilay Andriamanitr’izao rehetra izao sady Tompoko: «Eny an-kalamanjana rehetra dia hisy tomanim-pisaonana; ary eny amin’ny arabe rehetra dia hisy hanao hoe: ‹Indrisy! Indrisy!› Ny mpamboly koa hantsoina hiaraka ory; ary ireo mpiantsa fahoriana hanao hiram-pisaonana.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Eny an-kianja rehetra eny dia hisy fisaonana; ary eny an-dalambe rehetra eny dia hisy hilaza hoe: Indrisy! Indrisy! Hiantso ny mpamboly hitomany izy ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao izany.
malagasy