Amos 5:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia anoloranareo fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza Aho dia tsy sitrako izany; ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia anateranareo sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy hankasitrahiko izany; ary tsy hojereko akory ny zanak’omby matavy aterinareo ho sorom-pihavanana.
Malagasy Bible 1865
Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia anoloranareo fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza Aho dia tsy sitrako izany; ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
malagasy
Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.