Amos 5:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay tanàna nandefa arivo lahy dia indreo, zato monja no sisa; ary izay namoaka zato lahy dia indreo, folo monja no sisa ho an’ny taranak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’i Iaveh: Ny tanàna namoaka arivo lahy hiantafika, dia hitana zato lahy; ary izay namoaka zato lahy hiantafika, dia hitana folo lahy ho an’ny taranak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’ny vahoakan’i Israely: Misy tanàna mamoaka miaramila arivo hiantafika, kanefa zato no sisa hiverina; Misy tanàna mamoaka miaramila zato hiantafika, kanefa folo no sisa hiverina.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay tanàna nandefa arivo lahy dia indreo, zato monja no sisa; ary izay namoaka zato lahy dia indreo, folo monja no sisa ho an’ny taranak’Israely.
malagasy
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.