Amos 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia Ilay miantso ny rano any an-dranomasina ka mandraraka azy amin’ny tany, NY TOMPO no anarany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny haizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-damosina, dia mampiely azy eo ambonin’ny tany; Iaveh no anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ilay nanao ny kintana Kotokelimiadilaona sy ny kintana Telonohorefy, manova ny haizim-pito ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, miantso ny rano any an-dranomasina sy manapariaka azy eny ambonin’ny tany, dia ny TOMPO no anarany.
Malagasy Bible 1865
Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia Ilay miantso ny rano any an-dranomasina ka mandraraka azy amin’ny tany, NY TOMPO no anarany,
malagasy