Amos 6:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozan’ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ny firenena malaza indrindra, sady hatonin’ny taranak’Israely!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mila loza ireo mandry feizay ao Siôna, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria; dia ireo malaza indrindra amin’ilay firenena, lohan’ny firenena, ireo izay hatonin’ny taranak’i Israely!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozanareo izay manorina fiadanana amin’i Tsiôna sy mitoky amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo mihevi-teny ho sangany eo amin’ilay firenena malaza indrindra ka hatonin’ny taranak’i Israely!
Malagasy Bible 1865
Lozan'ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr'i Samaria, dia ireo malaza eo amin'ny firenena malaza indrindra sady hatonin'ny taranak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozan’ireo miadana ao Ziona* sy ireo matokitoky foana ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ny firenena malaza indrindra, sady hatonin’ny taranak’Israely!
malagasy
Lozan'ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr'i Samaria, dia ireo malaza eo amin'ny firenena malaza indrindra sady hatonin'ny taranak'Isiraely.