Amos 6:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny havan’ireo maty izay mibata ny faty handoro azy ka mitondra ny taolana hiala tao an-trano dia hiteny amin’izay ao an-trano hoe: Mbola misy olona ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliany hoe: Mangìna re! Tsy tokony hotononina ny anaran’NY TOMPO!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho tonga ny havany anankiray mbamin’izay mandoro ny faty, ka hitondra ny faty, dia hoesoriny ny taolam-paty, hiala ao an-trano; ary ny anankiray hilaza amin’izay ao amin’ny faran’ny trano: Mbola misy ihany va ato miaraka aminao? ka holaviny hoe: Tsy misy olona intsony! Dia hataon’ilay voalohany hoe: Mangìna! Fa tsy tokony hotononina ny Anaran’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tompo-manjo no haka ny faty, sy voatery hamoaka azy hiala ny trano, sady hiteny amin’izay anankiray sisa velona ao an-trano hoe: «Mbola misy ve miaraka aminao?» Ka hovaliany hoe: «Tsy misy intsony!» Ary hampiany hoe: «Mangina! Fa aza tonontononina ny anaran’ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny havan'izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny havan’ireo maty izay mibata ny faty handoro azy ka mitondra ny taolana hiala tao an-trano dia hiteny amin’izay ao an-trano hoe: Mbola misy olona ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliany hoe: Mangìna re! Tsy tokony hotononina ny anaran’NY TOMPO!
malagasy
Ary ny havan'izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah. [Heb. handoro]