Amos 6:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihazakazaka eny amin’ny vatolampy va ny soavaly, misy olona mampihosy omby va eny no efa navadikareo ho poizina ny rariny ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa ny vatolampy ihazakazahan’ny soavaly, na ampiasana ny omby va izany? no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny, ary ho abisinta ny vokatry ny rariny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa mihazakazaka eny an-kisolasola-bato ve ny soavaly, ary moa ampihosena ranomasina ve ny omby, no dia navadikareo ho poizina ny rariny, ary ho zava-mangidy ny fanarahan-dalàna?
Malagasy Bible 1865
Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihazakazaka eny amin’ny vatolampy va ny soavaly, misy olona mampihosy omby va eny no efa navadikareo ho poizina ny rariny ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
malagasy
Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?