Amos 6:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianareo izay mifaly ny amin’i Lo-Dabara ka miteny hoe: Moa tsy ny herinay va no nahazoanay an’i Karnaima?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia mifaly ianareo amin’izay zava-poana; ianareo manao hoe: «Tsy tamin’ny herinay va, no nahazoanay fahefana?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifaly amin’ny tanàna Lôdabara azonareo indray ianareo; dia milaza koa ianareo hoe: «Tsy tamin’ny herintsika ve no nakantsika ny tanàna Karnaîma?»
Malagasy Bible 1865
Dia ianareo izay mifaly amin'ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianareo izay mifaly ny amin’i Lo-Dabara ka miteny hoe: Moa tsy ny herinay va no nahazoanay an’i Karnaima?
malagasy
Dia ianareo izay mifaly amin'ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.