Amos 6:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; hampahory anareo hatrany akaikin’i Hamata izy ka hatramin’ny lohasahan-driaka any amin’ny tany ngazana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao: «Indro Aho, ry taranak’i Israely, hanangana firenena hamely anareo, dia firenena hampahory anareo manomboka hatreo Lebô-Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Harabà.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; hampahory anareo hatrany akaikin’i Hamata izy ka hatramin’ny lohasahan-driaka any amin’ny tany ngazana.
malagasy