Amos 6:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mankanesa any Kalne ianareo ka mijere, mandrosoa ho any Hamata lehibe avy eo; dia midìna ho any Gatan’ny Filistina; tsara noho ireo fanjakana ireo va ianareo? Lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miampità ho any Kalne ianareo ka zahao; avy ao dia mankanesa any Hamata ilay lehibe: midìna koa any Geta ao amin’ny Filistinina: moa miadana noho ireto fanjakana ireto va ireo tanàna ireo, ary lehibe noho ny anareo va ny tanin’izy ireo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mankanesa any Kalnè ianareo ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, tanàna lehibe; ary midina ho any Gata tanànan’ny Filistinina. tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo, na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!
Malagasy Bible 1865
Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any Gatan'ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin'ireo va ny taninareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mankanesa any Kalne ianareo ka mijere, mandrosoa ho any Hamata lehibe avy eo; dia midìna ho any Gatan’ny Filistina; tsara noho ireo fanjakana ireo va ianareo? Lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?
malagasy