Amos 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, namorona andiam-balala Izy rehefa nanomboka nitsimoka iny ny kolokolon’ahitra, kolokolon’izay nojinjaina ho an’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko, dia indro Izy fa namorona valala, tamin’ny fotoana vao itsimohan’ny kolokolo, dia ny kolokolo avy nijinjana ho an’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy nanao andiam-balala tamin’ny fiandohan’ny fitsimohan’ny kolokolo, dia ny kolokolo taorian’ny fijinjana vary ho an’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no nasehon’NY TOMPO Andriamanitra tamiko: Indro, namorona andiam-balala Izy rehefa nanomboka nitsimoka iny ny kolokolon’ahitra, kolokolon’izay nojinjaina ho an’ny mpanjaka.
malagasy
[Ny fahitana ny amin'ny valala, sy ny afo, ary ny Pilao] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.