Amos 7:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka tany amin’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely i Amazia, mpisorona tao Betela, hilaza hoe: Manao tetika fikomiana aminao eo anivon’ny taranak’Israely i Amosa, ary tsy zakan’ny tany ny teniny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely hoe: «Mitetika ny hikomy aminao eo amin’ny taranak’i Israely i Amôsy; tsy zakan’ny tany intsony ny teniny rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Amatsià, mpisorona tao Betela, dia naniraka hilaza amin’i Jerôbohama mpanjakan’i Israely hoe: «I Hamôsa efa nikotrika fikomiana taminao teo anivon’ny vahoakan’i Israely; tsy zakan’ny tany intsony ireo kabariny rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka tany amin’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely i Amazia, mpisorona tao Betela, hilaza hoe: Manao tetika fikomiana aminao eo anivon’ny taranak’Israely i Amosa, ary tsy zakan’ny tany ny teniny rehetra.
malagasy
[Ny natao tamin'i Amosa tao Betela, sy ny teny nataony tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,