Amos 7:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa henoy ankehitriny ny tenin’NY TOMPO: Ianao no milaza hoe: Aza maminany hamelezana ny Israely ary aza miteny mamely ny taranak’Isaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin’i Iaveh ianao: Hoy ianao hoe: ‹Aza maminany ny hamelezana an’i Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak’i Isaaka!...›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, henoy ny tenin’ny TOMPO. Ianao manao amiko hoe: «Aza maminany ny hamelezana an’i Israely ary aza manambara ny hamelezana ny taranak’i Itsehàka»;
Malagasy Bible 1865
Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa henoy ankehitriny ny tenin’NY TOMPO: Ianao no milaza hoe: Aza maminany hamelezana ny Israely ary aza miteny mamely ny taranak’Isaka!
malagasy
Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.