Amos 7:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao, ho lavon-tsabatra ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, hozaraina amin’ny kofehy fandrefesana ny taninao; ho faty any amin’ny tany maloto ny tenanao ary hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh: ‹Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna; ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra; ny taninao, hozaraina amin’ny famolaina, ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakao lahy sy vavy dia haringana amin’ny sabatra; ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady sy homena olon-kafa; ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo lavitry ny taniny.»
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao, ho lavon-tsabatra ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, hozaraina amin’ny kofehy fandrefesana ny taninao; ho faty any amin’ny tany maloto ny tenanao ary hobaboina hiala amin’ny taniny tokoa ny Israely.
malagasy