Amos 7:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony laniny avokoa ny zavamaniry amin’ny tany dia hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mamelà heloka! Hataon’i Jakoba ahoana no fahajoro? Kely ange izy e!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapitra lanin’ireny avokoa ny ahitra amin’ny tany, dia hoy aho: «Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka! Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa tapitra lanin’ny valala avokoa ny ahitra rehetra tamin’ny tany, dia hoy aho hoe: «Ry Tompo ANDRIAMANITRA ô, mba avelao re ny heloky ny vahoakanao! Fa fomba ahoana no hahajoroan’ny taranak’i Jakôba satria kely izy?»
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony laniny avokoa ny zavamaniry amin’ny tany dia hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mamelà heloka! Hataon’i Jakoba ahoana no fahajoro? Kely ange izy e!
malagasy
Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.