Amos 7:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy aho: Fandrefesana marindrano. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy fandrefesana marindrano eo amin’ny Israely oloko Aho fa tsy handefitra aminy intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Ka namaly aho hoe: «Kofehy pilao». Dia hoy ny Tompo: «Indro Aho manisy ny kofehy pilao, eo amin’i Israely vahoakako; fa tsy hamela ny helony intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: –Inona no hitanao, ry Hamôsa? Ka novaliako hoe: –Fira-potsy. Dia hoy indray ny Tompo hoe: –Indro Aho hampiasa fira-potsy hamelezako eo afovoan’i Israely vahoakako, satria tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy aho: Fandrefesana marindrano. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy fandrefesana marindrano eo amin’ny Israely oloko Aho fa tsy handefitra aminy intsony.
malagasy
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;[Heb. handalo azy]