Amos 8:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hampodiko ho fisaonana ny andro firavoravoanareo ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra; hosikinako lamba fisaonana ny olona rehetra sady hokakasako ny loha rehetra; hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany ka ny fiafarany dia ho tahaka ny andro mangidy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana; ny hira fifalianareo, ho fitomaniana; ny andilana rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo; hosikinako lamba gony ianareo rehetra sady hosolako loha ka hataoko tahaka ny olona misaona zanaka lahitokana; ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy no fiafaran’izany.»
Malagasy Bible 1865
Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hampodiko ho fisaonana ny andro firavoravoanareo ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra; hosikinako lamba fisaonana ny olona rehetra sady hokakasako ny loha rehetra; hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany ka ny fiafarany dia ho tahaka ny andro mangidy.
malagasy
Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]