Amos 8:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO Andriamanitra, izay handefasako mosary amin’ny tany; tsy mosarin-tsakafo anefa, na hetahetan-drano, fa hetaheta handre ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro tamy ny andro, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - hanirahako hanoanana amin’ny tany; tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano, fa ny faniriana te-handre ny tenin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra hoe: «Indro avy ny andro izay handefasako mosary amin’ny tany: tsy hoe ho mosarena mofo ny olona na hangetaheta rano fa haniry mafy handre ny teniko.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO Andriamanitra, izay handefasako mosary amin’ny tany; tsy mosarin-tsakafo anefa, na hetahetan-drano, fa hetaheta handre ny tenin’NY TOMPO.
malagasy
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary]