Amos 8:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy aho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Tonga amin’ny Israely oloko ny farany; tsy handefitra aminy intsony Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Dia hoy ny navaliko: «Voankazo masaka iray sobiky.» Ka hoy i Iaveh tamiko: «Tonga ny farany ho an’i Israely vahoakako: Tsy hamela azy intsony Aho, izao sisa izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany ahy Izy hoe: –Inona no hitanao, ry Hamôsa? Ka novaliako hoe: –Voankazo masaka iray harona! Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Tonga ny farany ho an’ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy aho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy NY TOMPO tamiko: Tonga amin’ny Israely oloko ny farany; tsy handefitra aminy intsony Aho.
malagasy
Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho. [Heb. handalo azy]