Amos 8:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tonga fitarainana ny hira ao amin’ny tempoly amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho be ny faty ka eny rehetra eny no hanipazana azy. Mangìna re!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, ny hira ao an-dapa ho zary finaonaonana - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ny faty ho betsaka, ary hazera hatraiza hatraiza amim-panginana ireny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro hiaviako izany, ireo vehivavy mpihira ao an-dapa dia hanao hiram-pisaonana. ho marobe ny faty ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manao izany teny hentitra izany.
Malagasy Bible 1865
Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tonga fitarainana ny hira ao amin’ny tempoly amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho be ny faty ka eny rehetra eny no hanipazana azy. Mangìna re!
malagasy
Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]