Amos 8:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ianareo: Rahoviana no ho tapitra ny maizim-pito mba hivarotantsika vary, ary ny Sabata mba hanokafantsika ny fitoeram-bary ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekela ary hanaovana mizana mandainga,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina, ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin’ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizàna mandainga no hampiasantsika,
Malagasy Bible 1865
Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ianareo: Rahoviana no ho tapitra ny maizim-pito mba hivarotantsika vary, ary ny Sabata mba hanokafantsika ny fitoeram-bary ka hanakelezana ny efaha* sy hanalehibiazana ny sekela ary hanaovana mizana mandainga,
malagasy
Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga