Amos 9:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ny alitara aho. Hoy Izy: Asio ny lohan’ny andry hihetsiketsehan’ny tokonana, torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra! Izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra ka tsy hisy afa-mandositra sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtely aho, ka hoy izy: «Asio ny koronosy, ary aoka hihozongozona ny tokonana; dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra! Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra; tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin’ny alitara sady niteny hoe: «Asio ny lohan’ireo andry amin’ity tempoly ity dia hihozongozona ny fiorenany. Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany amin’izay rehetra eto ary izay sisa tavela dia haringako amin’ny ady; tsy hisy ho afa-mandositra ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.
Malagasy Bible 1865
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan 'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ny alitara aho. Hoy Izy: Asio ny lohan’ny andry hihetsiketsehan’ny tokonana, torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra! Izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra ka tsy hisy afa-mandositra sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
malagasy
[Ny fahitana ny amin'ny handravana ny fanjakana be ota, sy ny hananganana indray ny tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. [Na: ambonin']