Amos 9:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hatsangako indray ny trano bongon’i Davida izay efa nianjera, hotampenako ny banga eo aminy; hatsangako indray izay rava aminy ka haoriko ho tahaka ny taloha indray izy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ilay tanànan’i Davida izao dia toy ny tranobongo efa nianjera. Fa ho avy ny andro izay hananganako indray izany tanàna izany, ka hofefeko ireo banga amin’ny màndany hatsangako ny rava tao aminy, ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hatsangako indray ny trano bongon’i Davida izay efa nianjera, hotampenako ny banga eo aminy; hatsangako indray izay rava aminy ka haoriko ho tahaka ny taloha indray izy
malagasy
Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,