Amos 9:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja ary ny mpanosihosy voaloboka dia hahatratra ny mpamafy; ny tendrombohitra dia hamoaka ranom-boaloboka ary ny havoana rehetra hiempo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja; ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy; hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao, ary ny havoana rehetra hitsonika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Indro avy ny andro izay hahavokatra ny vary ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana, sy hahavokatra ny voaloboka ka efa hafafy ny voambary vao vita ny fihosemboaloboka. Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja ary ny mpanosihosy voaloboka dia hahatratra ny mpamafy; ny tendrombohitra dia hamoaka ranom-boaloboka ary ny havoana rehetra hiempo.
malagasy