Amos 9:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia miery any an-tampon’i Karmela aza izy dia any no hitadiavako sy hanalako azy; ary na dia miafina any ambanin’ny ranomasina aza izy mba tsy ho hitan’ny masoko dia any no hibaikoako ny menarana hanaikitra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha miery any an-tampon’i Karmela izy, hotadiaviko any, sy halaiko ihany; ary raha miafina ny masoko any anaty ranomasina izy, hodidiako hanaikitra azy any ny bibilava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
na hiery any an-tampon’i Karmela aza ireo, dia hokarohiko sy halaiko any; na mihevitra hiafina tsy ho hitan’ny masoko any amin’ny fanambanin’ny ranomasina aza ireo, dia homeko didy ny trozonabe hanaikitra azy any;
Malagasy Bible 1865
Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia miery any an-tampon’i Karmela aza izy dia any no hitadiavako sy hanalako azy; ary na dia miafina any ambanin’ny ranomasina aza izy mba tsy ho hitan’ny masoko dia any no hibaikoako ny menarana hanaikitra azy.
malagasy