Amos 9:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manangana ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ny tany; miantso ny rano ao amin’ny ranomasina Izy ka mandraraka azy amin’ny tany: NY TOMPO no anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manao ny ambaratongany any an-danitra izy, ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany; miantso ny rano eo amin’ny ranomasina izy, dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany; Iaveh no Anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanorina ny lapany any an-danitra Andriamanitra, ka ny tany no iorenan’ny andohalambon’ny lanitra; miantso ny rano eny an-dranomasina Izy ka mampilatsaka azy etỳ ambonin’ny tany. Ny TOMPO no anarany.
Malagasy Bible 1865
Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manangana ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ny tany; miantso ny rano ao amin’ny ranomasina Izy ka mandraraka azy amin’ny tany: NY TOMPO no anarany.
malagasy
Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.