Amos 9:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy tahaka ny taranaky ny Kosita va ianareo Amiko ry Zanak’Israely? hoy NY TOMPO. Tsy nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta va ny Israely, ary avy tany Kaftora ny Filistina, ary avy tany Kira ny Arameana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va ianareo, raha amiko, ry zanak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Moa i Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, sy ny Filistinina avy tany Kafitôra, ary ny Sirianina avy tany Kira?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»
Malagasy Bible 1865
Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy tahaka ny taranaky ny Kosita va ianareo Amiko ry Zanak’Israely? hoy NY TOMPO. Tsy nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta va ny Israely, ary avy tany Kaftora ny Filistina, ary avy tany Kira ny Arameana?
malagasy